Ny vaovao voaray no ilazana fa nihena ny loza tamin’ity taona ity. Fanafihan-jiolahy tsy mijanona no nahafaty olona
Na dia voalaza aza fa nilamina ny fetin’ny pentekosta, fantatra fa nisy dimy ireo namoy ny ainy ary maherin’ny zato ireo tsy maintsy nandalo teny amin’ny hopitaly notsaboina. Ny amin’ireo namoy ny ainy dia ao ireo matin’ny hetraketraky ny hafa. Teo koa ireo niharan’ny fanafihan-jiolahy. Ankoatra izany, tsy vitsy ny- nisotro toaka tafahoatra.
Tarehimarika azo teo anivon’ny hopitaly sy toerana hafa ireo taterina eto ireo. Izay tsy nandalo toeram-pitsaboana tsy mbola fantatra. Ny andron’ny sabotsy no tena maro ireo tsy maintsy nampandalovina hopitaly. Ny alahady, somary vitsy izy ireo. Nisy ny fanafihan-jiolahy nahafaty olona iray teny amin’ny faritr’Itaosy. Ny lozam-pofamoivoizana koa torak’izany. Ny loza tany an-tokantrano koa nandrenesana faharatrana olona. Raha ny vaovao azo teo anivaon’ny mpitandro filaminana sy ny teny anivon’ny hopitaly, voalaza fa somary nihena ny loza isan-karazany tamin’ity toana ity raha noharina tamin’ny toan-dasa. Izay vokatra avy amin’ny mpitandro filaminana no tsy fantatra.
Nangoni’ni r.s.