- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFetin’ny pentekosta : Telo no maty, 128 nandalo hopitaly

Fetin’ny pentekosta : Telo no maty, 128 nandalo hopitaly

Ny iray matin’ny aretina ary ny roa kosa razana nisy nanatitra tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Hjra. Nandritry ny roa andron’ny fety dia olona 128 no nentina notsaboina teo anivon’io toerana io. Ny 33 amin’ireo dia vokatry ny lozam-pifampivoizana ary 35 hafa kosa dia ny adiady an-dalambe sy ny sakoroka tetsy sy teroa. Mazava hoazy fa nentin’ny toaka ny tena antony ary lasa mila vaniny amin’ny hafa izay mety efa mamo koa. Dia samy naratra avy eo ny sasany. Mba somary nidina kely ny antontan’isa raha oharina amin’ny isan-taona saingy na izany aza dia tsy maintsy misy hatrany ny mitondra takaitra mandritry ny fety ary ny adiady an-dalambe sy ny lozam-pifamoivoizana hatrany no voatondro ho anton’ny loza. Etsy ankilan’izany, lasa mihasarotra ary mampitaraina ny mpanao gazety rehetra ny fangalàna vaovao eo anivon’ny hopitaly, indrindra ny Hjra. Tokony ho fantatry ny tompon’andraikitra fa zon’ny olona ny mahalala ny zava-misy, indrindra eto an-drenivohitra izay eo anivon’ny hopitaly no hahitàna taratra izany matetika. Taloha dia raisina an-tanandroa mihitsy ny mpaka vaovao ary havoaka aza ny boky fitànana an-tsoratra izay hahitàna ny isan’ny marary sy ny maty. Izao tsemboka vao mahazo vaovao, asa hatao inona no hasarotina toa izany ?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici