- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny pentekoty : Efatra no maty, manodidina ny 200 notsaboina

Fetin’ny pentekoty : Efatra no maty, manodidina ny 200 notsaboina

Ny lozam-pifamoivoizana no tena namono olona nandritra ny faran’ny herinandro, izay nitontona tamin’ny fankalazàna ny fetin’ny pentekoty. Ankoatra ilay nitranga tetsy Carion (lahatsoratra etsy ankila) ka nahafaty olona roa, dia nisy iray hafa ihany koa namoy ny ainy tetsy Masay rehefa nifandona tamin’ny môtô haingam-pandeha (bol d’or). Ny fahefatra farany dia vonoan’olona tany Ankazobe : notapahin’ny olon-dratsy ny tendan’ny vehivavy iray manodidina ny 30 taona ary nasitrika tany anaty ala. Ankoatra izay dia nambaran’ny loharanom-baovao teo amin’ny hopitaly fa manodidina ny 200 ny olona nandalo teny nandritra ny roa andro, ka ny 48 tamin’ireo no voatery notazomina. Efatra no toran’ny toaka, 20 kosa naratra vokatry ny adiady an-dalam-be ary nisy vehivavy iray namono tena tamin’ny fanafody, saingy avotra ihany ny ainy. Tsikaritra fa feno mpitandro ny filaminana ny lalam-pirenena, indrindra iny mizotra ho any Mahajanga iny. Heverina ho nampihena ny hafainganam-pandehan’ny fiara ny fahitàn’ny mpamily azy ireo isaky ny zoron-dàlana. Ankoatra izany dia marobe ny tanora mamo an-dalambe ary manaporofo an’izany rahateo ny tarehimarika etsy ambony. Misy ny toran’ny toaka eny an-dàlana, ny nobatain’ny namany ary koa ny lasa nahery setra ka niadiady rehefa mamo…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser