Raha somary nilamina ny fankalazan’ny olona ny fiandrasana sy ny fetin’ny krismasy, dia somary niseho kosa ny hadalan’ny sasany, hoy ireo mpitsabo, ny fiandrasana sy ny fetin’ny taona vaovao, saria nahatratra 55 ireo niditra vonjitaitra sy aina tamin’ny hopitalibe tao anatin’izany hatramin’ny 09 ora maraina nakana ny tarehimarika. Tamin’ireo niditra vonjitaitra sy vonjy aina tao amin’ny hopitaly, ny 11 dia naratra vokatry ny ady noho ny hamamoana avokoa, ka saika efa taorian’ny fidiran’ny taona vaovao ny misasakalina avokoa no nitrangany. Iray no maty vokatr’izany ady an-dalam-be izany noho ny tsindrona antsy nahazo azy . Saika nahiditra fandidiana avokoa ireo ambiny noho hamafin’ny ratra, saika ny lohan’izy ireo avokoa ny voa tamin’izany. Ankilan ‘izany dia tovovavy iray, ny maraina ny taona vaovao, no namono tena tonga teo anivon’ny vonjy taitra sy aina tao amin’ny hopitaly be. Mpanampy an-trano ity tovovavy ity ka ny olana teo aminy sy ny olon-tiany ny alin’ny fiandrasana ny taona vaovao no namonoany tena ny marainan’ny taona vaovao. Avotra ihany ny ainy noho ny fitondran’ny mpampiasa azy teny amin’ny hopitaly be haingana. Ankoatra izany dia voafonja roa no afaka nanao fety tany amin’ny fianakaviany sy nivoaka ny fonja nahavita ny saziny nandritra ny fotoana niandrasana ny taona vaovao teto Toamasina, raha niisa 17 kosa ireo voafonja nahavita ny saziny ara-dalana taorian’ny krismasy teo ka hatramin’ny faran’ny taona 2019 teo ho an’i Toamasina renivohitra.
Malala Didier