Amin’ny alahady 19 oktobra izao tontolo andro, no hotanterahina ny famaranana ny fetin’ny Taranaka ao amin’ny FJKM Loharanon’aina Sambaina. Famaranana iombonana io andro io ary hotanterahina ao amin’ny kianja filalaovam-baolina, ka ny tanjona dia ny famitana ny « carreaux » ; izay mitentina 20 tapitrisa ariary. Amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 10 ora dia rindran-kira ara-pilazantsara hiarahana amin’ny tarika Mialy Ramamonjy. Hanomboka amin’ny 10 ora ny fotoam-pivavahana arahana fandraisana Fanasan’ny Tompo. Amin’ny 1 ora tolakandro, rindran-kira ara-pilazantsara. Hisy ny hotely sy varotra isan-karazany. Manantena ny fahatongavantsika taranaka rehetra amin’io fotoana io.
Articles qui pourraient vous intéresser