- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFetra Rakotondrasoa : Nohadihadiana ary nosavaina trano

Fetra Rakotondrasoa : Nohadihadiana ary nosavaina trano

Afaka nody izy taorian’ny fisavàna tetsy Ankaraobato.

Adim-pamantaranandro dimy no faharetan’ny fanadihadiana tao amin’ny borigady manokana misahana ny raharaha heloka bevava. Vita indray izay, dia nizotra avy hatrany teny amin’ny tokantranony teny Ankaraobato ny mpanao fanadihadiana avy amin’io borigady io nampian’ny pôlisy avy ao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava, ny mpisolovava roa an’i Fetra Rakotondrasoa ary izany rehetra izany, dia natrehan’ny holafitry ny mpanao gazety. Izay amin’ny ankapobeny ny fizotran’ny raharaha, omaly. Hatreto dia notazonin’i Barry Benson i Fetra Rakotondrasoa ho namatsy ny fanamiana miaramila izay nanaovan’itsy voalohany nandritra ny fanaoavany fampitam-baovao miendrika hatsikana (parodie) tao anatin’ny  fandaharana « #fotoam-bita_tsy_mahaleo_ny_sampona ». Nolavin’i Fetra hatramin’ny farany izany. Tsy nisy tamingana fanamiana miaramila na koa fitaovana mifandraika amin’izany rahateo, nandritra ny fisavana ny tranony. Ho an’ny besinimaro dia filam-baniny sy fampitahorana tsotr’izao ny mitranga ankehitriny. Ny lehiben’ny BS (zandary) ary koa ny lehiben’ny BC (pôlisy) no indray nametra-panontaniana tamin’ity mpitondra tenin’ny MLE ity. Io vondrona io dia hikarakara hetsika amin’ny asabotsy hoavy izao ary raha ny fihevitry ny olona dia misy hifandraisany amin’izany ity endrika fampitahorana ity. Indroa izany izay, tao anatin’ny iray volana latsaka, ny fanadihadiana mpanao gazety teny anivon’ny sampana misahana ny raharaha heloka bevava. Tsy mahagaga raha kianin’ny mpanara-maso iraisam-pirenena isika, satria endrika fanampenam-bava ny mitranga ankehitriny. Mihamafy aza, satria noho ny tamin’ny andron’ny « censure » satria ankehitriny, dia any amin’ny sampana miadidy heloka bevava avy hatrany no miandry.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici