Nisehoana savorovoro tao amin’ny fokontany Fiadanana Antsirabe ny harivan’ny Alatsinainy lasa teo. Rava tao anatin’ny ora vitsy monja ny fanan’olona iray mitentina amina miliara. Ankaotra ny fanana rehetra tao an-trano dia tapitra norabain’ny olona avokoa ny biby fiompy rehefa toy ny kisoa am-polony maro, tsy vitan’izay fa hatramin’ny varavaran-kazo dia tapitra norobain’ny fokonolona avokoa.
Zaza iray no voalaza fa nanimba ny voninkazon’ilay ramatoa tao an-tanana; tezitra ity farany ka nafatony tao an-tokotaniny ilay zaza tsy nanan-tsiny. Nanafatra ny mpiasany ilay ramatoa ny tsy hamoana ilay zaza raha tsy amin’ny fiverenany avy miantsena. Hikiaka sy toman’ilay zaza no nanaitra ny manodidina ka nahatonga ny olona nijery tao an-tokotan’ilay tanana. Niantso mpitandro filaminana ny vahoaka nijery ny zava misy, tonga teny an-toerana ireto farany ka mbola nifatotra tokoa no nahitana azy tao. Noentin’y mpitandro filaminana ny tompon-trano niaraka tamin’ilay zaza hanaovana ny fanadihadiana.
Etsy an-daniny efa vory ny fokonolona maro be niaraka tamin’ny horakoraka. Vetivety dia niely ny tsaho, nisy nanambara fa mpangala-jaza ny tompon-trano. Vao nanomboka nody ny masoandro ny mpitandro filaminana tsy teny an-toerana intsony dia nanomboka ny fandrobana nataona andian’olona maromaro, tsy nisy niangana intsony fa rava ny fanana rehetra, rindrina sisa nijoro tamin’ilay Tanana tsara tarehy. Izany dia vokatry ny tsaho niely, nanambara ny mpitandro filaminana fa tsy an’ny vahoaka ny fitsarana fa misy tompon’andraikitra napetraka ho amin’izay. Tsy hijanona eo ity raharaha ity fa mbola ankatoky ny fifidiana ny tany sy ny fanjakana. EFa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana rahateo ny raharaha.
Andry N.