- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFiadanana : Lehilahy hita faty tao an-tranony

Fiadanana : Lehilahy hita faty tao an-tranony

Ny harivan’ny alahady teo no tapa-kevitra ny fokontany, ny zandary ary ny fokonolona ny hamaha ilay trano. Ny anton’izany dia nisy nahatsikaritra fa efa roa andro no tsy nisokatra izany ary misy fofona maimbo izay nivoaka avy ao anatiny. Nampandrenesina arak’izany ny manam-pahefana rehetra ary natao ny fanokafana ny trano. Lehilahy izay mitsotra eo ambony fandriana no hita tao ary ny fahitalavitra dia nandeha tsy ankijanona. Hatreto dia noho ny hamamoana no hitan’ny mpitsabo miaramila ho anton’ity fahafatesana irery tao an-trano ity. Voamarika koa fa mbola mpitovo ilay namoy ny ainy ary sivily miasa eo anivon’ny toby miaramila Capsat. Isan’ny nijery ifotony teny an-toerana ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny sampana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny zandary etsy Fiadanana.

nangonin’i D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici