Nahitana fatim-behivavy iray, manodidina ny 40 taona teo ho eo, teny Fiadanana omaly tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Tsy nahitana ratra goavana na vono teny amin’ny vatatenan’ity ramatoa ity, saingy eo amin’ny orony fotsiny no nisy naratra kely, raha ny tatitra azo. Ankevitry ny tsy dia salama saina loatra izy io raha ny vaovao hatrany ary mety ho mamo dia nianjera ka izay no nitarika ny fahafatesany. Voamarika tamin’izany ihany koa anefa fa efa tsy misy fitafiana intsony ny tapany tamin’ity vatana mangatsiaka ity, kanefa, raha ny fanazavana azo hatrany, dia tsy nisy trangana fanolanana aloha nahazo ity ramatoa ity. Tamin’ny fotoana nanaovanan’ireo mpitandro filaminana ny fanadihadiana no nahafantarana fa tsy mponina eny an-toerana ity ramatoa ity ary tsy misy mahafantatra azy ireo mponina eny an-toerana. Efa naterina eny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny razana amin’izao fotoana izao. Efa am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa mandeha ny famotorana.
m.L