- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFiahiana ara-tsosialy : Miisa 200 olona isaky ny kaly tsinjo ny eto...

Fiahiana ara-tsosialy : Miisa 200 olona isaky ny kaly tsinjo ny eto Toamasina…

Raha ny andron’ny alakamisy teo dia hen’omby sy tsaramaso no laoka tamin’ireo kaly tsinjo miisa 10 natsangana eto Toamasina, ka nisy ireo notsidihan’ny governora Rafidison Théodore Richard, nandritra ny andron’ny alakamisy atoandro. Nandritra izany no nahalalana fa miisa olona 200 eo isan’andro no tonga misakafo eo amin’izy ireo isan’andro amin’ny vidiny 100 ariary. Na maro tahaka izany ireo misakafo dia mazana tsy voahaja ny fihetsika sakana amin’ny valanaretina Coronavirus, ka izany no antony fitsidihan’ny governora ireo toeranam-pisakafoana kaly tsinjo ireo ny alakamisy teo io, mba ahafahana mijery ny fikarakaraka sy ny fanajana ny sakana ara-pahasalamana ary ny fomba fizarana ireo sakafo amin’ny olona. Tampoka ny fandalavonan’ny governora mba ahafahany mahatsapa ny tena zava-misy, satria re izao fa misy olona mitady hanararaotra ireto kaly tsinjo ireto ka te-haka vola amin’izy ireo amin’ny fanadiovana sy fandrarahana fanafody ho sakana amin’ny valanaretina covid-19. Raha ny fanazavana mantsy dia ny sekretera jeneralin’ny kaominin’i Toamasina no manao izany tamin’ny famoriana azy ireo izay nilazany fa tsy maintsy madoa vola ireo mpikarakara sakafo eny amin’ny kaly tsinjo ividianana fanafody (Virokil) fanadiovana ny toeram-pisakafohanana amin’ny otrikaretina. Nanamarika anefa ny governora fa misy ary mbola tena ampy ireo ranom-panafody vao azon’i Toamasina tamin’ny fanjakana mikasika izany, ka tsy tokony hisy ny fandoavam-bola izany ataon’ireo mpampisakafo olona amin’ny kaly tsinjo. Raha ny zavatra hitan’ny governoran`ny faritra atsinanana aloha nandritra ny fitsidihany ireo kaly tsinjo ireo, dia mandeha sy milamina tsara ny asan’izy ireo isan’andro.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici