Natao nanomboka omaly ny fizarana ilay tosika fameno 100.000 ariary ho an’ireo olona nahazo izany teto Toamasina. Fokontany 150 amin’ny 193 eto Toamasina I sy fokontany 12 ao Toamasina Suburbaine no mahazo izany raha ny filazan’ny FID mitsinjara izany ho an’ny olona. Raha natao ny kajy ho an’i Toamasina I sy Toamasina Suburbaine dia olona miisa 42.000 no mahazo izany tosika fameno izany, ka fokontany iray teto Toamasina I no nisantarana izany omaly maraina izay notronin’ny Governora Rafidison Richard sy ny tale rejionalin’ny FID ary ny ben’ny tananan’i Toamasina. Tao amin’ny kianja monisipaly Toamasina no nanaovana ny lanonana fanolorana izany ofisialy, ankoatra ireo natao teny amin’ny paositra misy sy ireo banky mpiara-miasa amin’ny FID atsy ho atsy. Araka ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Rafidison Richard Théodore dia ireo mpahazo tombontsoa amin’ity tosika fameno ity dia tsy mahazo intsony amin’ny fanampiana ara-tsosialim-panjakana manaraka eo indray, izany hoe ireo fizarana fanampiana ara-tsakafo. Nomarihan’ny tale rejiolanin’ny FID Toamasina koa fa ireo olona efa nahazo tosika fameno teo aloha, niampy ireo nanao fitarainana tsy nahazo tamin’ny voalohany nizarana izany nanaovana fanadihadiana manokana, ireto nahazo tosika fameno isam-pokontany ankehitriny ireto. Na izany aza dia nisy ihany ny fanamboarana ny lisitra amin’ireo nambara fa tsy marefo nefa nahazo teo aloha. Ankoatra izany, efa tonga eny amin’ny CRCO Toamasina avokoa ireo lisitra voasoratra anarana teny amin’ny fokontany, hoy ny governoran’ny faritra Atsinanana, ka ho hita eo izany ny fahatongavan’ny fanampiana alefan’ny fanjakana ho an’ny vahoaka malagasy eto Toamasina amin’izao fanampiana ara-tsosialin’ny mponina izao.
Malala Didier