Nisehoana loza nahafaty ankizy lahy kely vao dimy taona, omaly, teny Fiakarana, kaominina Anosiala Ambohidratrimo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy ankizy telo nilalao teo an-tokotany. Nafana moa ny andro koa dia nitady rano hosotroina izy ireo. Nandeha hanovo izany tao anaty lavadrano ny iray, ilay dimy taona. Tsy fantatra izay niseho na tsy zakany ilay fanovozana na ahoana fa dia latsaka tany anaty lavaka tany izy. Natao ny famonjena an’ity zaza ity ary rehefa tafiakatra avy ao ambany avy ao dia hita fa tsy nisy aina intsony. Efa tonga teny an-toerana ny dokotera nizaha ny razana. Voalaza la 25 metatra ny halalin’ilay fantsakana nianjeran’ity ankizy ity. Eo an-tokotany ihany no misy azy io.
r.s.