- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFiampitàna rano : Olona dimy ho any Sainte-Marie maty navadiky ny lakana

Fiampitàna rano : Olona dimy ho any Sainte-Marie maty navadiky ny lakana

Fokontany iray ao anatin’ny distrikan’i Soanierana ivongo ny fokontan’Antsiraka, ao amin’ny kaominin’Antanifotsy, tanana tsy lavitra ny nosy Sainte Marie, noho izy mivelatra any anaty ranomasina, ka saika eo amin’ity fokontany ity avokoa ireo lakana manao zotra Soanierana Ivongo mamaky ny vava-lapasy. Ny zoma 31 aogositra teo tokony tamin’ny 09 ora maraina anefa dia nitera-doza ny fanaovan’ny mponina ity zotra ity, satria fianakaviana sy mpiara-monina miisa 23 no navadiky ny lakana raha tsy iray kilometatra niala ny sisin-tany akory tao Antsiraka, ka olona dimy no maty tamin’izany. Avotry ny mpanarato sy ny fokonolona tamorontsiraka kosa ny ambiny. Efa lakana hazo efa fanaovan’ny olona zotra Antsiraka Loukintsy ihany ity lakana hazo mirefy 08m amin’ny sakany 02m ity, saingy izao nitera-doza izao, izay heverina fa noho ny fahamaroan’ny olona tao anatiny izay mbola niampy azy roa lahy mpivoyy lakana, sy noho ny onjan-dranomasina tamin’ny fotoana nihazoan’izy ireo ny nosy Sainte Marie ihany koa. Efa nikasa ny hiverina ihany ireto fianakaviana sy mpiara-monina nikasa hamonjy tsaboraha ao Sainte Marie ireto raha nahita fa tena sarotra ny dia, saingy teo am-pihodinana hiverin-dalana izy ireo no navadiky ny onja be dia izao nitera-doza an-dranomasina izao. Tsy avy hatrany dia novonjena ireto latsaka an-dranomasina niisa dimy ireto noho ny ranomasina nanonja be, fa naterina aloha ireto olona 18 mbola tao anatin’ilay lakana, vao niverina haka ireo dimy izy roa lahy. Ny roa tamin’ireto dimy latsaka an-dranomasina no hita faty natsingevan’ny ranomasina, fa ny telo hatramin’izao mbola tsy hita.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici