- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFianakavian’ny maty novonoin’i Tsilavina : Mitaky ny hitarihan’ny zandary ny fanadihadiana

Fianakavian’ny maty novonoin’i Tsilavina : Mitaky ny hitarihan’ny zandary ny fanadihadiana

Voasambotra tany ambanivohitra lavitra.

« Marina fa ny polisy no nahatratra an’i Tsilavina izay namono ny vady aman-janako tamin’ny fomba feno habibiana, nefa teny amin’ny zandary izay no nametraka ny fitoriana ary teny no efa nanomezanay ny vaovao rehetra mikasika ny raharaha, nefa raha mandeha eny amin’ny polisy nahatratra azy izahay, dia voarirarira hatrany nefa izahay no manaman-jo amin’izao raharaha izao », izay no nambaran’ireo fianakavian’i Kevin 4 taona sy ny reniny bevohoka novonoin’i Tsilavina, ny tapaky ny volana marsa teo, tamin’ny fomba mahatsiravina. Miteraka ahiahy amin’ny fianakavian’ny maty ny fandehan-javatra izao, satria mahatsapa izy ireo fa toa misy « kolikoly » avo lenta izany ao ambadiky ny raharaha, satria raha ny angom-baovao natao dia misy izany ramatoa mifanila tamin’ireto fianakaviana nisy namono ireto no naniraka an’i Tsilavina tamin’izao raharaha izao, izay nohararaotin’izy ireo tamin’ny tsy fifankahazoana tamin’i Tsilavina sy ilay raim-pianakaviana nandroaka azy tamin’ny asany, ny zava-nisy. Tsy hita popoka io vehivavy naniraka io amin’izao fotoana izao ; izay tsy nisy nanam-po ny fifandraisany amin’ity heloka ity ka afaka nitsoaka tsy tamin’ahiahy ny tenany. Ho hita eo anefa ny fandehan’ny raharaha, satria nilaza ny fianakavian’ny maty, fa miandry toy ny zava-nitranga tany Maroantsetra, sy fidinana an-dalam- be, indray ve ny tompon’andraikitra eto Toamasina vao hihaino ny fianakavian’ny maty amin’izao raharaha izao, sy handray fepetra ve ireo tompon’andraikitra. Ho hita eo ny tohiny…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici