Mirongatra mafy tokoa tato ho ato ny fanolanana ankizy tsy ampy taona. Ankizivavy 15 taona avy any ambanivohitra izay avy nivarotra saribao tao an-drenivohitry Betsileo no naolana telolahy efa mamomamon’ny galeoka, ny asabotsy hariva teo, tany Fianarantsoa, 5 km miala ny tampon-tanàna. Nenjehin’izy telolahy tao anaty tanimbary ity zazavavy ity, raha niampita teo, saika hamonjy fodiana (sahabo 3 km miala amin’ny tanànany), ka nianjere nihosom-potaka. Nobatain’izy ireo tany anaty kirihitr’ala avy eo ary niharan’ny fanolanana tambabe.
Valifaty. Niezaka niantso vonjy ity ankizivavy ity, nefa voatampina ny vava ka nanaram-po ireo mpanolana nifandimby niakatra nanao ny filany. Norarahan’ireo mpanolana ny ambin-toaka sisa teny amin’izy ireo ny vavan’ity zazavavy ity, ary dia nirifatra nandositra izy telolahy, ka mbola tsy nisy voasambotra hatramin’izao. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia sipan’ity zazavavy ity taloha ny iray tamin’ireo nanolana azy, satria noraran’ny ray aman-dreny ny fiarahan’izy roa, noho ny resaka ady tany roa volana lasa izay. Valifaty ?
Eric Manitrisa