- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Fangalana tanin’olona miaraka amin’ny fasan-drazana mampisavorovoro

Fianarantsoa : Fangalana tanin’olona miaraka amin’ny fasan-drazana mampisavorovoro

Tany mirefy 1 ektara mahery antsoina hoe Matory titre 253-T misy mikasa hangalatra ao Fianarantsoa kanefa misy fasan-drazana. Ny 18 novambra teo no tonga tonga niaraka tamin’ny vadintany teo amin’io tanin’olona misy fasana io ilay olona voalaza fa mibodo. Nanome fe-potoana ialan’ireo tena tompon-tany eo amin’ilay toerana ilay vadintany. Tsy manaiky izany anefa ireo fianakaviana, ka nitady ny porofo rehetra hanamarinana fa azy ireo marina ilay tany misy ny fansan-drazan’izy ireo. Nilaza ireto farany fa tamin’ny taona 1939 no nisy vazaha nahazo tany antsoina hoe « manariventy », teo akaikin’ilay tanin’izy ireo misy ny fasan-drazany io. Misy arabe manasaka tsara ireo tany mifanila ireo, izay tsy misy hifandraisany velively. Ny taona 1953 no lasa nody ilay vazaha. Nanangana trano sy fasana tao amin’ilay tany tao avaratra antsoina hoe « tany Matory » ny raiaman-drenin’ireto fianakaviana voakasika. Tsy misy hifandraisany velively mihitsy ny tanin’io vazaha io, sy ilay tany ‘Matory » nananganana trano sy fasana, raha ny fanazavana. Am-polo taonany taty aoriana, nisy mpiasan’ny tribonaly iray niaraka tamina vazaha hafa, nilaza ho nividy ilay tany « manariventy ». Nitondra taratasy fifampivarotana natao ny faha 15 septambra 1973 ireo olona nilaza ho nividy ilay tany ireo. Nandeha tany amin’ny biraon’ny fananan-tany nanamarina ny atotan-taratasy ny fianakaviana, ka teo no nahafantarana fa tsy mitombona ilay taratasy fifampivarotana noentin’ilay mpiasan’ny tribonaly sy ilay vazaha. Tsy nahomby ny tetika ireo mpangalatra tany, ka lasa nangataka ilay tany tamin’ny fanjakana indray izy ireo. Tsy nanaiky ny fianakaviana ka niakatra tribonaly ny raharaha. Teo no nibaribary fa tsy nisy porofo nilaza fa nividy ilay tany ilay vazaha niaraka tamin’ilay mpiasan’ny tribonaly, sady tsy misy ny fanamaintisa-molaly ilay tany. Gaga anefa ny fianakaviana fa nivoaka tampoka tamin’ny fomba tsy fantatra ny didy manome io tany io an’ilay vazaha sy ilay mpiasan’ny tribonaly. Milaza sy hanaiky ireo fianakaviana tompon’ny tany.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici