- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Fatin-jazakely sampona vao teraka, hita tao anaty fanariam-pako

Fianarantsoa : Fatin-jazakely sampona vao teraka, hita tao anaty fanariam-pako

Razana zazamenavava velona vao teraka mbola nihosina rà, niaraka tamin’ny tadim-poitrany no nisy nahita tao anaty toeram-panariam-pako iray, tany Fianarantsoa, afak’omaly. Olona hanary fako no nahita io fatin-jazakely niboridana io; izay nitangoronan’ny lalitra. Araka ny vaovao voaray, dia maro amin’ireo nanatri-maso ny zava-nisy no nilaza fa mety vao teraka mihitsy ity zaza sampona ity no narian’ny reniny na olona teo. Lasa fomba ratsy nahazatra tato ho ato ny habibiana amin’ny fanarian’olon-tsy fantatra fatina zazarano ao an-drenivohitry Betsileo, izay heloka voararan’ny lalàna no sady heloka ihany koa eo anatrehan’Andriamanitra. Lasa ihany ny saina : “ noho ny tsy fahampiana sy fahantrana misy ve no manosika ny olona sasany hanary zanaka toy izao, sa ny tsy fitiavana hitaiza fotsiny tsotra izao ? ! “

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici