Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafaty sy nandratrana olona indray tamin’ny lalam-pirenena fahafito iny, ny folakandron’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny telo ora, tao Alakamisin’Ambohimaha, avaratry ny tanànan’i Fianarantsoa. Olona roa maty tsy tra-drano vokatry ny fahaverezan-dra be loatra, ary 18 no naratra mafy, ka anisan’izany ny mpamily izay efa manaraka fitsaboana amin’izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia fiara Mercedes 307 iray avy any Antsirabe nitondra razana halevina any Taolagnaro sy mpandeha no nivadika ambony ambany vokatry ny fandehanana mafy ary latsaka tany anaty hantsana lalina 15 metatra miala amin’ny arabe.
Tavela tamoron-dàlana ny razana. Raha ny nambaran’ny mpandeha iray tamin’io fiara io, dia tsy nihinana intsony ny « frein » rehefa tao anaty fidinana sady fiolahana ny fiara nandehanan’izy ireo. Tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana, ka tany an-kady no nifatratra. Ny nahagaga ny rehetra, indrindra izay nandalo nahita ity loza ity, dia tsy nianjera tany anaty hantsana niaraka tamin’ny fiara ny fitoeran’entana sy ny razana nifatotra teo amboniny, fa tafajanona teo amoron-dalana. Ny fahitana an’io vatampaty teo amoron-dalana io no nanaitra ny mpandalo, ka nahatonga azy ireo nijanona.
Manitrisa