- Publicité -
jeudi, septembre 18, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : « Fusil à pompe » sy basy marobe saron'ny zandary

Fianarantsoa : « Fusil à pompe » sy basy marobe saron’ny zandary

Ireo basy marobe sarona tany amin’ny faritanin’I Fianaratsoa (sary Kelly)
Ireo basy marobe sarona tany amin’ny faritanin’I Fianaratsoa (sary Kelly)

Niakatra taty  Andrenivohitra mihitsy ny lehiben’ny zandary ao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa ary nirongo ireo basy marobe izay sarony. Izany dia nentiny nampahafantariny ny olona – avy amin’ny alàlan’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly, teny amin’ny toby Ratsimandrava – fa miparitaka ny basy ary miady mafy amin’izany ny zandary izay tarihiny. Olona 23 no nosamborina sy nohadihadiana ary mbola tazonina hatramin’izao. Raha ny fanazavan’ny Kolonely Gelle, dia 27 ny basy sarona. Misy amin’ireo no “fusil à pompe”, misy koa ny “pistolet automatique” ary koa basim-borona “baikal”. Notsoriny ihany koa, fa misy olona ambony eto amin’ny firenena ao ambadik’ity raharaha fiparitaham-basy ity. “Misy mpiasan’ny kaominina ; izay ao anatin’ny faritanin’i   Fianarantsoa, misy mpiasam-panjakana ihany koa ny sasany ary olon-tsotra ny ambiny” raha araka ny fanazavan’io manamboninahitry ny zandary io. Manoloana izany rehetra izany, dia nisy ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fampiatoana aloha ny fanomezana alàlana hitondra basy. Tsy an-kifidy fa voakasik’izany avokoa ny rehetra, hatramin’ny manampahefana aza. Raha nosarontsaronina tamin’ny fiparitahan’ny basy vita gasy ny asan-jiolay teto Andrenivohitra, izao kosa dia noporofoin’ny zandary avy ao Fianarantsoa, fa miparitaka ny basy tena izy ary olom-panjakana ny sasany ao anatin’ny tambajotra. Mpitandro ny filaminana mpilatsaka anelon’aina no tena mitazona ny “fusil à pompe” raha araka ny fanazavana azo. Ny “Baikal” kosa dia nosokajiana hatrany ho basim-borona kanefa raha any amin’ny 50 metatra mbola mety mahafaty olona izay voatifiny io karazam-basy io. Ny “pistolet automatique” moa, dia io ampiasain’ny jiolahy etsy sy eroa, indrindra eto An-drenivohitra. Ankoatr’izay dia nohazavan’ny Kolonely Gelle koa ny fitomboan’ny famotsiana bokin’omby any amin’iny faritany iny hatrany. Bokin’omby tokony hiasa any amin’ny faritra sasany no misy manodina entina hahazoana omby any an-toeran-kafa. Misy ny fepetra noraisina momba izany ary ao anatiny ny fisamborana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici