- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Gadra lava nanolana tovovavy avy nianatra, saika matin’ny olona

Fianarantsoa : Gadra lava nanolana tovovavy avy nianatra, saika matin’ny olona

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona, voalaza fa gadra lava, no nanolana tovovavy iray 14 taona tara fodiana avy nianatra « cours » hariva, ny talata teo, tokony tamin’ny 7 ora tany ho any, tao Bateravola Fianarantsoa. Raha ny vaovao voaray dia vao avy namita sazy nivoaka ny fonja vao herinandro ity lehilahy mpitondra varamba ity no tra-tehaka nanao fomba mamohetra izao. Avy any Mahamanina hihazo ny fokontany Bateravola ity tovovavy tsy ampy taona ity no nojokoin’ilay lehilahy tamina toerana mangina maizina tsy lavitra fasana, ka nanamparany ny filan-dratsiny. Niezaka niantso vonjy ny niharam-boina saingy voatampim-bava sy niharan’ny daroka. Nitsoaka ilay mpanolana rehefa vita ny asa ratsiny. Tadidin’ilay tovovavy niharan’ny fanolanana anefa ny endriny satria mpivezivezy sy mpisotro toaka eo an-tanàna ihany. Nokarohina ka tratra omaly nisandratr’andro, tokony tamin’ny 10 ora, tamina toeram-pisotroana « galeoka » iray tao Antsororokavo, ka saika matin’ny hatezeram-bahoaka raha nisy kely, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici