- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Jiolahy avy namono olona saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Fianarantsoa : Jiolahy avy namono olona saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Jiolahy iray avy namono raim-pianakaviana tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka no saika matin’ny fitsaram-bahoaka miala kely ny an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa, afak’omaly, rehefa nitsoaka nanavotra aina ny namany enina. Taorian’ny fitifirana raim-pianakaviana iray tompon-trano nidiran’ireo olon-dratsy an-keriny dia nokapain’ilay zanaky ny maty tamin’ny famaky ny tongotry ny mpandroba iray. Tsy afaka nandeha lavitra ilay jiolahy naratra avy eo ka tsy nampanano sarotra ny mpanara-dia ny nisambotra azy, satria feno rà avokoa ny lalana rehetra nodiaviny. Io dahalo tapa-tongotra tratra io ihany avy eo, rehefa nofotorana, no nanoro ireo namany hafa ka samy sarona avokoa izy fitolahy, ny ampitson’io, hoy ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser