Jiolahy raindahiny antsoina hoe Laza, izay voalaza fa malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitry ny Betsileo sy ny manodidina, no maty voatifitry ny polisin’i Fianarantsoa, ny tolakandron’ny 25 jona teo, tao Andriamboasary. Rehefa avy namono nahafaty vazaha ity jiolahy 29 taona lavon’ny bala ity sy ireo namany dia nitsoaka. Tra-tehaka tamin’ny vaky trano indray anefa i Laza ny faramparan’ny herinandro teo, ka rehefa nentin’ny mpitandro filaminana nanao ny famotorana azy mba hanoro ny toerana nanangonany ireo entana halatra izy, dia tafatsoaka teny an-dalana ary afaka namaha ho azy ny rojo vy fehintanana teny aminy, ka voatery nitifitra ny polisy ary teo amin’ny kibon’ity jiolahy gadralava ikoizana ity no niatefa ny bala. Ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Tambohobe moa ny vatana mangatsiakan’ity jiolahy ity miandry ny fahatongavan’ny havany mba haka izany, raha ny tati-baovao voaray.
Eric Manitrisa