Voasambotry ny fokonolona ny marainan’ny alatsinainy teo ny jiolahy roa, izay mbola tsy ampy taona ny iray, mpamaky trano, izay nanao fanamiana mpitandro filaminana no voasambotry ny fokonolona tany Ivory, tamin’ny 2 ora maraina. Teny ankoditr’izy ireo ny fanamiana mitovy amin’ny an’ny miaramila. Ny iray tovolahy vao 19 taona, ny iray faharoa kosa vao 13 taona. Naterin’ny fokonolona teny amin’ny tobin’ny zandarimaria Ankazondrano Fianarantsoa izy ireo mba ho fotorana sy notazomina. Voalaza tamin’ny fakana am-bavany azy ireo fa efatra izy ireo no mpiray tsikombakomba amin’ny asa ratsy. Eo am-pikarohana ireo roa lahy kosa ny zandarimaria ankehitriny. Araka ny fanazavana azo, misy mpitandro ny filaminana voalaza fa manome fanamiana azy ireo entiny manao ny fanafihana. Eo am-panaovana ny fandihadiana momba izany ny zandary. Iny faritra Fianarantsoa iny izay anisan’ny faritra mena amin’ny asan-jiolahy, ka nanao antso momba izany ny vahoaka sy ny solombavahoaka avy any Ivory. Ny governora mihitsy moa no iantefan’izany antso izany mba hisy ny fandraisana andraikitra haingana satria mandry tsy lavo loha ny mponina. Eo ihany koa ny fisain’ny hoe mpitandro filaminana miray tendro amin’ny jiolahy. Toe-javatra izay efa nisy foana ihany izany fa tsy zava-baovao. Miandry vokatra ny rehetra.
Yv Sam