- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Kamiao roa, indray notafihan’ny jiolahy

Fianarantsoa : Kamiao roa, indray notafihan’ny jiolahy

Miverina tanteraka ny fanafihana eny amin’ireo lalam-pirenena sy lalana mampitohy faritra, indrindra fa amin’iny tapany Atsinanana sy Atsimon’ny Nosy iny. Ny sabotsy alina teo, dia kamiao mpanangom-bokatra roa  izao no indray lasibatry ny jiolahy tamin’iny lalan’Ikalamavony iny, saingy ny iray tamin’ireo, toa tsy nokasihan’izy ireo. Amam-polony teo ireo olon-dratsy raha ny fampitam-baovao azo avy tany an-toerana, ary nirongo basim-borona. Vola aman’alina no lasa, niampy vary teo amin’ny telo gony teo. Niala tao amina tanana iray antsoina hoe Mangidy ireto fiarabe roa ireto, ny antoandron’ny sabotsy teo. Teny an-dàlana anefa dia maty tampoka ny iray tamin’ireo fiara, izay vokatry ny olana ara-teknika, ka voatery nijanona an-dàlana. Nijanona nanaraka azy, niandry fanamboarana ilay kamiao iray niaraka taminy. Nony nigadona anefa ny alina, tokony ho tamin’ny 11 ora teo ho eo, raha ny fampitam-baovao hatrany no niainga ny tora-baton’ireo olon-dratsy. Variraraka mihitsy ka nahavaky tanteraka ny fitaratra aloha sy teo amin’ny varavaran’ilay fiara. Tsy nisy aloha ny naratra na ny aina nafoy tamin’izany, saingy ireo entana sy vola ireo no lasan’ireo olon-dratsy. Marihana  raha ny vaovao hatrany fa isan’ny faritra mena sy anjakan’ny asan-dahalo tanteraka ity faritra nahafaty ilay fiarabe ity. Efa nampahafantarina an’ity tranga ity moa ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ary efa eo am-pikarohana ireo olon-dratsy. Fa ankoatr’izay, dia fantatra ihany koa fa mbola mitohy hatrany ireo tora-bato sy sakantsakana isan-karazany amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, indrindra eo ilay toerana miala kely an’I Brickaville. Taxi-brousse sy fiara manokana maromaro indray mantsy no tratra, ny faran’ny herinandro teo. Tiana ny manamarika anefa, fa efa nisy ny hetsika manokana nataon’ireo zandary miadidy iny faritra iny tany an-toerana hamongorana izany ary efa nisy ireo voasambotra. Eny fa na dia saika namoizan’ny iray tamin’ireto mpitandro filaminana ny ainy mihitsy aza moa izany. Saingy, izao mbola manohy ny asa ratsiny izao hatrany ireo olon-dratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici