Mampihoron-koditra tanteraka ny tranga niseho tao an-drenivohitr’i Betsileo tao omaly. Lehilahy iray no hitan’ny fokonolona, nivalampatra efa tsy nisy aina intsony. Rehefa nohatonina akaiky anefa dia hita fa efa tsy nisy tarehy intsony izany lehilahy izany, tsy nisy hodi-doha intsony ihany koa. Karan-doha sisa teo amin’ny toeran’ny lohany. Karan-doha izay toa niniana nogoahina mihitsy nangalana ny masony, ny orony, ny vavany, … ny tarehiny rehetra iny. Omaly maraina izy ity no nisy nahita nivalampatra teo an-tsisin-dalana toy ireny olona mamo matory an-dalana ireny. Tsy nisy nanampo ny rehetra hoe olona efa tsy misy tarehy intsony izy ity. Mbola miakanjo tsara mantsy ilay lehilahy ary mbola teny am-babeny aza ny kitapony. Samy nihoron-koditra avokoa anefa raha nahita fa karana sisa no teo amin’ny lohany. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay nahazo ity lehilahy ity. Nohanin’ny biby ve sa nisy namono ? Raha ity farany dia tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no nanaovan’izay tsy valahara nanao izany. Ny mbola fanontaniana anefa dia hoe inona no antony nanalàna ny hodi-dohany sy ny tarehiny ? Ny trangan-javatra tahaka izao tokoa no mahatonga ny olona hihevitra fa misy eto amintsika ny halatra taova. Ary moa tsy izany ihany va no nahatonga ilay savorovoro nahafatesana olona sy nahapotehina zavatra maro tany amin’iny faritra Betafo iny. Mila haingana dia haingana tokoa araka izany ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny toe-javatra tahaka itony.
m.L