Tsy valahara tanteraka ! Efa tsy mifidy intsony ireo olon-dratsy mpanolana amin’izao. Tany amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny, dia lehilahy iray no hitan’ny olona nitakokoko kely.Niboridana tanteraka rahateo iny tapany ambany iny. Raha ny vinavinan’ny olona dia toa hoe nisy nanolana ity lehilahy ity. Tao amin’ny tananan’i Tanambao, Fierenenana no nitrangan’ity fanolanana hafa kely ity. Ankevitry ny alina, ary omaly maraina no nanaovan’ireo tsy mataho-tody izao zavatra izao, hoy ireo mponina ary ny maraina ingahirainy vao hita. Izy rahateo toa efa mamofompofona alikaola. Ny tao amin’ny faritry ny fitombenany tao no voalazany fa hoe marary ary hitan’ireo tompon’andraikitra fa nisy rà ihany koa. Efa nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pahasalamana moa ranamana ary heverina fa efa nahazo izay fitsaboana sahaza azy.
Fa mbola resaka fanolanana ihany, nitranga tany amin’iny faritra Ankazobe iny. Tranga mampalaelo tokoa satria dia ankizivavikely iray vao 12 taona no hita faty tao anaty ala, ny marainan’ny alakamisy teo. Raha ny filazan’ireo tomponandraikitry ny filaminana sy mpitsabo tonga teny an-toerana dia voalaza fa nisy nanolana ity ankizivavy kely ity ary tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy tapitra ny ainy. Efa manao ny fikarohana izay nahavananon-doza nahavita izao habibiana izao moa ireto mpitandro filaminana. Ny razana kosa efa nomena ny fianakaviana.
m.L