Basy mahery vaika roa fampiasan’ireo mpitandro filaminana, Akm sy Mas 36 no tratra tany amina rangahy iray tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ampasimbe-Lavatehezana, kaominina Fiadanana, any Ambohimasoa. Ny asabotsy teo no sarona tany amin’io lehilahy io ireo basy ireo, raha nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary avy tao amin’ny brigady Camp Robin. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa, voatonona ho mpampanofa basy io lehilahy io, ka nahatonga ny fisavana ny tranony. Talohan’izay dia nisy lehilahy voatondro, raha ny vaovao hatrany fa, avy nanofa ireo basy mahery vaika ireo, ka ity farany tamin’ny alàlan’ny fanadihadiana natao azy no nanondro io rangahy mpampanofa basy io. Raha ny fantatra dia mbola nisy olona hafa, mpiray tendro amin’io rangahy io mbola karohina hatreto. Araka ny fampahafantarana nataon’ireo mpitandro filaminana hatrany mantsy, dia tafaporitsika ity namany ity raha vao nahare ny fidinan’ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana sy ny fanadihadiana. Izy roalahy ireto kosa, natolotra ny Fampanoavana ny talata teo, ary nampidirina am-ponja vonjimaika. Ny Kômandin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena any Fianarantsoa, ny Kly Serge Gélé, dia milaza ny tsy handefitra mihitsy manoloana ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika eny an-tànan’olon-tsotra any amin’iny faritra iny. Raha ny fampitam-baovao hatrany mantsy dia efa misy mihitsy ny tambanjotra mantajaka amin’ity fampanofana basy ity any an-toerana. Hisy mihitsy araka izany ny hetsika ataon’izy ireo amin’izany ary porofo iray hita taratra ny fahatratraràna ireto kalach roa ireto, niampy ireo tratra farany, tamin’iny herinandro iny tany amin’iny faritra iny hatrany.
m.L