- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : May ny tranon’ny Frera

Fianarantsoa : May ny tranon’ny Frera

Nidedaka ny afo tany Fianarantsoa omaly hariva tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo. May kilan’ny afo ny tranon’ny frera ao amin’ny « Sacré cœur » tao Tsaramandroso Fianarantsoa. Raha araka ny vaovao voaray dia nandrehitra labozia ny tao an-trano. Noho ny fanadinoana dia tavela teo ity labozia ka nampirehitra ny trano. Ny tany amin’ny rihana farany ambony no tena hita voa mafy. May kila tsy nisy azo noraisina ny fitaovana sy ny entana rehetra tao anatin’ny trano. Tao amin’ny efi-trano fatoriana dia tsy nisy azo ampiasaina intsony ny fandriana rehetra fa lasa lavenona  avokoa. 

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici