- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Miaramila iray mpiambina senatera, maty nitifi-tena

Fianarantsoa : Miaramila iray mpiambina senatera, maty nitifi-tena

Voalaza fa noho ny fahadisoam-panantenana, miaramila iray, 24 taona, miambina trano fonenana  Senatera ao Tanambao no nitifi-tena, ary maty tsy tra-drano namoy ny ainy, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata teo, tany Fianarantsoa. Raha ny loharanom-baovao voaray dia resaka fampanantenana asa tsy tanteraka no nahatonga ny famoizam-pon’ity miaramila mpiambina ity, ary voalaza fa tao anaty fisotroana toaka izy no nanapitra ny ainy. Rehefa avy nanapoapoaka basy variraraka nirefodrefotra izy, dia ny bala faha-14 no natodiny tamin’ny tendany ka nivoaka tany an-tampon-dohany. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ity raharaha ity. Niaretan-tory tao amin’ny Toby Faritany Miaramila faharoa (RM2) kosa ny razana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici