Tsy mifidy hotafihana intsony ny olon-dratsy ankehitriny, fa hatramin’ny tranon’ Andriamanitra aza voaroba. Nitrangana fanafihan-jiolahy nitam-basy indray tany Fianarantsoa, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, ka lasibatra tamin’ izany ny “Monastère” ao Maromby, izay toeram-pivavahana fisintahana sy fahanginana. Raha ny fantatra, dia vola mitentina 3,5 tapitrisa Ariary, izay ambim-bola karaman’ny mpiasa napetraka tao anaty “coffre” no voaroba tamin’ity indray mitoraka ity. Raha vao tafiditra tao an-trano ireo jiolahy telo nisaron-tava, dia nanambana basy an’ilay pretra misahana ny fitantanam-bolan’ny fikambanana tao an’efitrano fatoriany somary mitokana, ary nandrahona sady nanome baiko an’ity relijiozy ity hamoaka ny vola rehetra ao anaty fitahirizana. Rehefa azon’ireo mpanafika ny remby notadiaviny, dia lasa nitsoaka nandositra ireo jiolahy, ka hatramin’ny andron’ny omaly, fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola tsy misy olona voasambotra mahakasika an’ity raharaha ity, raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny kaomisarian’ny Polisy ao Ampasambazaha Fianarantsoa mandray an-tanana ny fanadihadiana. Mitohy ny fikarohana an’ireo olon-dratsy, hoy hatrany ny Polisy.
Eric Manitrisa