- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Mpanao gazety maty novonoin’ny jiolahy

Fianarantsoa : Mpanao gazety maty novonoin’ny jiolahy

Vao maraina ny asabotsy teo dia efa maloka ny tontolo andron’ny mpanao gazety tao Fianarantsoa sy ny manodidina. Ny antony dia ny fahafantarana fa nodimandry i Tina Rakotoarimanana, miasa amin’ny haino aman-jery iray ao an-toerana. Monina ao Ampitakely izy ary nisy nanafika ny tanàna ka isan’ny naratra mafy tamin’izany izy rehefa voavely tamin’ny hazo misy fantsika ny faritry ny lohany sy ny hatony. Nanomboka teo no nampidirina hopitaly mba ho fanavotana ny ainy. Niharatsy ny toe-pahasalamany ary niafara tamin’ny fahafatesany. Raha araka ny fanazavana avy any an-toerana dia efa matetika notsidihan’ny jiolahy ny tanàna misy azy, ny fokontany Ampitakely izany. Ny tena mahatalanjona dia mahavita mandrahona mialoha ireo olon-dratsy ary mampitandrina fa ho avy hanafika. Dia tena tonga tokoa, saingy mba tonga koa ny mpitandro ny filaminana ary dia nifanandrina ny roa tonta. Roa volana lasa izay dia nisy iray lavo tamin’ireo jiolahy tao anatin’ny fifampitifirana. Nanao vava ireo mpanao ratsy ary nilaza fa tsy maintsy haka olona efatra mba ho takalon’ny naman’izy ireo iray maty. Dia tena tontosa tokoa izany ary isan’izany ny mpanao gazety izay voalaza anarana. Raha ny fantatra dia sady manana toeram-piompiana akoho io farany ary vao avy namarotra maromaro izy ka nitondra vola nody no nandrasan’ny olon-dratsy, dia io nanamparana herisetra io. Roa izay ny mpanao gazety izay efa namoy aina tao an-toerana noho ny fanafihan-jiolahy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’Itompokolahy izahay eto anivon’ny Midi Madagasikara.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici