Mpanao gazety iray hamonjy fodiana rehefa avy namangy ny rainy niditra hopitaly no lasibatry ny asa fanendahana narahina herisetra nataona roalahy tsy nisaron-tava nirongo fitaovam-piadiana, afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any, tao Ampasambazaha Fianarantsoa. Araka ny vaovao azo dia niala kely ny fidinana amin’ny lalana avy any Tambohombe hihazo an’ Ampasambazaha iny, ity mpanao gazety, izay tsy nanampo na inona na inona, no nosakanan’ireto jiolahy izay nitondra basy ny iray, ka tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy lasany avokoa ny vola rehetra tany aminy manodidina ny valo alina ariary mahery kely sy finday roa, ary nitsoaka nihazo an’ Antarandolo ireo mpandroba rehefa azony ny rembiny. Omaly nisandratr’andro, nifanena tampoka tamin’ny iray tamin’ ireo jiolahy nanafika azy ny alina, teny Anjoma, ity mpanao gazety ity rehefa nividy fanafody. Tadidin’ ity farany ny endrik’ilay jiolahy nanambana poleta azy. Voasambotry ny olona ity tontakely, ary niharan’ny daroka avy hatrany ka nitrosona tamin’ny tany, ary nahitana fonosan-javatra iray nifatotra teo amin’ny kibony. Rehefa nosavaina izany dia ody gasy, ary nilaza ity jiolahy tra-tehaka fa iarovany ny tena sy anaovany fandraikirekena ireo olona jonoiny, ary ody vono amin’ny asa ratsiny hono ireo karazana tapa-kazo. Ny nahagaga anefa dia toa tsy nanan-kery ireo ody gasy mahery voalazany ireo, satria sady voasambotra ity jiolahy gadra lava tsy mety fay amin’ny asa ratsiny vao nivoaka ny fonja ity, izay malaza ratsy amin’ny fampihorohoroana ireo olona tafihany amin’ny basy kilalao, no naratra mafy niharan’ny hatezeram-bahoaka. Karohina kosa ilay namana.
Eric Manitrisa