- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Mpiasam-panjakana mamo nandona fiara roa

Fianarantsoa : Mpiasam-panjakana mamo nandona fiara roa

Tao an-tampon-tanànan’ny renivohitr’i Betsileo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Ny hamamoana no nitarika izany ary dia nitsotra koa ny olona nandona fa tena difitra tanteraka. Nanomboka tany Anjoma izy no efa nisy nahita fa nandeha mafy tamin’ny fiarakodiany. Tany dia efa saika nandona olona ary nisy koa ny fiara izay raha tsy nahay niala dia simba tanteraka. Nitohy ihany ny diany ary nandona fiara roa samihafa taorian’izay. Ny tena olana dia avo vava ilay nandona ary nandrangitra ny olona izany. Isan’ny voateniny tao anatin’izany ny hoe mpiasan’ny minisitera izy. Nandeha avokoa ny hoe « tsy mahalala ahy angaha » sns. Vetivety dia namoaka finday ny olona ary naka sary sy horonan-tsary mba hatao porofo. Nifampaka laharana finday teo ary nampanantena ilay avo vava fa halamina ny raharaha. Maty tanteraka anefa ny findainy ny ampitson’iny ary vao mainka koa nahatezitra ny tompon’ny fiara voadona izany. Naparitaky ny olona ny sary hatramin’ny omaly ary teo dia nitombo ny vavolombelona izay nahita ilay fihetsika sy ny tranga rehetra. Feno raha ny porofo izay nozarain’ny voadona tamin’ity zava-nisy tao Fianarantsoa ity. Na izany aza anefa lozam-pifamoivoizana izay niteraka fahavoazana ara-materialy no nitranga. Fa kosa ny fahamamoana eo amin’ny familiana dia efa azo enjehina araka ny lalàna famaizana. Nilaza ny tsy hanaiky mora foana ireo voadona, indrindra manoloana ny tsindrialoka izay nisy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici