Mpitandro filaminana roalahy miasa ao Fianarantsoa nidaroka sy namono vazaha vavy iray no nadoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’ Ankazondrano. Raha araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia avy namonjy toeram-pandihizana tamina hotely iray ao an-drenivohitr’i Betsileo ity teratany frantsay, ny herinandro lasa iny, no niharan’ny herisetran’ireto mpitandro filaminana izay voalaza fa izy roalahy ireto dia efa mpisetrasetra hatry ny ela. Naratra mafy teo amin’ny tanany ity teratany frantsay, ary very hatramin’ny «ordinateur portable » tany aminy. Nametraka fitoriana tamin’ny voina nahazo azy avy hatrany ity teratany vahiny ity. Nanoloana izany dia nandray fepetra ny tompon’andraikitra any an-toerana nanafay an’ireto tandroka aron’ny vozona izay natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany, kanefa izy ireo indray no manapatra fahefana sy mamono.
Eric Manitrisa