- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Mpivarotra taolam-paty dimilahy naiditra am-ponja

Fianarantsoa : Mpivarotra taolam-paty dimilahy naiditra am-ponja

Dimilahy izay tra-tehaka saika hivarotra taolam-paty tao an-drenivohitra Betsileo no naiditra am-ponja rehefa nandalo tao amin’ny fitsarana Fianarantsoa ny herinandro iny. Raha ny vaovao voaray dia fasan’olona tany Tolongoina distrikan’ Ikongo, faritra Vatovavy Fitovinany, no noloaran’ireto mpamaky fasana avy eo nentina niakatra tamin’ny fiaran-dalamby nitadiavana mpividy tao Fianarantsoa ireo taolam-paty 30 kg mahery no tra-tehaka izao. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia ny olona izay nivantanan’ireto mpanao bizina « saphir blanc » ireto ihany izay mipetraka ao Ankofafa Fianarantsoa, no nitoraka azy ireo teny amin’ny mpitandro filaminana. Valalanina ny rehetra : atao inona marina ny taolam-paty ? Betsaka ihany izay voasambotra izay fa mbola tsy fantatra na nisy aloha hatreto iza no tena atidoha ?

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici