- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Nakarina grady ireo zandary matin’ny dahalo tao Ranomafana sy Mahasoa

Fianarantsoa : Nakarina grady ireo zandary matin’ny dahalo tao Ranomafana sy Mahasoa

Notanterahina tao amin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena eto Tsaramandroso, ny zoma 30 novambra 2018 ny fanaovam-beloma farany ara-pomba miaramila an’ireo zandary 2 lahy maty lavon’ny dahalo teo am-panatanterahana ny asany, dia ny GPHC Rambeloson Heritiana Emilien komandin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ranomafana izay namita iraka tao Torotosy, Fokontany Tsaramandroso, kaominina Ranomafana Distrika Ifanadiana sy ny G2C Ramarosandratana Faliniaina miasa ao amin’ny tobim-paritra Mahasoa; izay namita iraka tao Antsinjorano Fokontany Bemelo, kaominina Satrokala, Distrikan’ Ihosy. Marihina, fa andro iray daholo no nitrangan’ireo, dia ny 28 novambra 2018.

Tonga nanome voninahitra izany ny jeneraly komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly lefitra ao amin’ny IGGN sy komandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena ao Fianarantsoa ary notronin’ny olo-manankaja sivily sy ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra ao amin’ny Zandarimaria sy ny Tafika Malagasy ary ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena.

Natomboka tamin’ny fanondrotana ny galona ho eo amin’ny laharana GPCE ho an-dRatompokolahy Rambeloson Heritiana Emilien ary eo amin’ny laharana G1C kosa ho an-dRatompokolahy Ramarosandratana Faliniaina ny fotoana ary notohizana tamin’ny fanaovam-beloma farany ara-pomba miaramila ka nofaranana tamin’ny fandraisam-pitenenan’ireo fianakaviana mana-manjo. Rehefa vita izany dia samy nitodi-doha any an-tanindrazany tsirairay avy ny razana; izay toerana hametrahana azy mandrakizay dia eo Amontana CU Fianarantsoa sy any Betafo.

Raha hotsiahivina moa, toy izao ny zava-nitranga dia namita iraka tamin’ny toerana antsoina hoe Torotosy-Bevoahaza, fokontany Tsaramandroso, kaominina  Ranomafana ny 27 novambra 2018 ny GPHC Rambeloson Heritiana Emilien  komandin’ny tobim-paritra Ranomafana niaraka tamin’ny zandary 3. Nisy fanafihan-dahalo tamin’io tanàna io ny marainan’ny 28 novambra 2018 tokony ho tamin’ny efatra ora, efa tonga teo an-tanana ireo dahalo dia nisandoka ho fokonolona ka izy ireo indray no niantso vonjy tao amin’ny trano natorian’ireo zandary. Raha vao nivoaka namoha varavarana ilay Komandin’ny Borigady, dia fira famaky avy hatrany no nahazo azy narahina tifitra. Maty noho izany ratra nahazo azy izany ity farany. Tamin’io andro io ihany koa rehefa nanao fanarahan-dia omby very  40 ny G2C Ramarosandratana Faliniaina niaraka tamin’ireo namany 3 samy miasa ao amin’ny borigady Mahasoa, dia nifanena tamin’ny dahalo  80 tao amin’ny toerana antsoina hoe Antsijorano fokontany Bemelo Kaominina ambanivohitra Satrokala distrikan’Ihosy. Raikitra ny fifandonana mahery vaika ka lavo tamin’izany ny G2C Ramarosandratana Faliniaina ary zandary iray hafa naratra. Omby  20 no tafaverina tamin’ny tompony.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici