Polisy vavy iray sy mpiray tsikombakomba aminy izay nanao herisetra sy fampijaliana tamina tovolahy mpiasa an-trano, no naiditra am-ponja vonjimaika ao Ankazondrano Fianarantsoa, ny antoandron’ny zoma lasa teo, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny 22 febroary izao. Fanamparam-pahefana sy fampijaliana no vesatra nanenjehana an’ity mpitandro filaminana ity.Rehefa avy nofatorana ity tovolahy mpiasa an-trano nosoketaina ho nangalam-bola, dia notondrahan’ ilay polisy vavy rano mangotraka, ka nitsovaka hatrany an-doha ka hatrany an-tongotra ny hodiny. Na dia teo aza ny fanambazana vola hatramin’ny 12 tapitrisa Ariary sy ny tsindry bokotra samihafa, ary niezaka nanao raharaham-pihavanana ny fianakavian’ilay polisy vavy namoa-doza mba hampitsahatra ny fitoriana, dia tsy nanaiky izany hatramin’ny farany ny havan’ilay tovolahy niharan’ny vono tamin’ny fombam-biby, ka niala maina ireo mpanelanelana izay niezaka nanao izay ho afany. Manoloana ny herisetra sy hetraketraka mateti-piseho ataon’ity mpitandro filaminana mangidy hoditra amin’ny mpiara-monina aminy ity, dia efa nangataka ny hifindran’ity polisy vavy monina ao Antarandolo ity ny lehiben’ny Fokontany ao an-toerana, satria tsy tantin’ny mpiara-monina intsony ny fomba mamoehitra sy fihoaram-pefy ataony, hoy ny loharanom-baovao. Raha ny fantatra, dia mitohy fanarahan’ny rehetra ny fivoaran’ity raharaha ity ao an-tanànan’i Fianarantsoa.
Eric Manitrisa