Tovovavy iray mbola mpianatra no namono tena, afak’omaly, tany Fianarantsoa. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tseratsera ny sariny miboridana, ka noho ny tahotra ny ray aman-dreniny sy ny henatra, dia nikasa nanapitra ny ainy tamin’ny fihinanana fanafody maromaro izy, kanefa voavonjy haingana ka avotra soa aman-tsara. Raha ny vaovao voaray dia tany am-pianarana ity tovovavy ity no nandre fa miparitaka eny amin’ny fandraisana na « accueil » amin’ny « facebook » ny sariny maromaro miboridana, ka niteraka resabe, ary teo vao nikoropaka izy namafa izany, kanefa efa hitan’ireo namana sy havana ireo sary. Nisy ny niantso ny ray aman-drenin’ilay zazavavy avy eo nampahafantatra ny zava-misy.
Natahotra mafy noho izany ilay zazavavy tompon’ireo sary ka nanapa-kevitra hamono tena. Niditra nangigina tao amin’ny efitranony izy, ary niafina tao sady nitelina fanafody. Ity tovovavy ity efa nalemilemy no nahataitra ny reniny ka nentina avy hatrany namonjy tobim-pitsaboana. Raha ny loharanom-baovao dia sary nifampizarany tamin’ny sakaizany tao amin’ny hafatra miafina (MP) tamin’ny Facebook ihany ireo niparitaka ka hitan’ny be sy maro ireo. Mila fitandremana fatratra ankehitriny amin’ny fampiasana ity fitaovan-tserasera malaza amin’izao ity, fa mety mitera-doza rehefa tsy ampy fiheverana sy fandinihana lalina, ary tsy kely lalana ny ratsy tia mamotika fiainan’olona. Toy ny tranga tsy ela akory izay tamin’ny horonantsary mamoafadin’olo-malaza iray niparitaka ary niteraka resa-be tao amin’ny facebook.
Eric Manitrisa





