Nivarahontsana ny rehetra nahitana ny tranga nahatsiravina niseho tao amin’ny fokontanin’Ampitakely Fianarantsoa, afak’omaly alina. Renim-pianakaviana iray niady tamin’ny vadiny no bory tanana havia nokapain-drangahy tamin’ny famaky. Araka ny tati-baovao azo, dia mpiady lava ireto mpivady, ary matetika mifampikasi-tanana mihitsy, ka tsy mahataitra ny mpiaraha-monina intsony ny adin’izy roa. Ny alin’ny talata teo anefa, nikiakiaka be sady niantso vonjy mafy ramatoa, ka nanaitra ny manodidina izany, ary samy nivoaka avokoa ny rehetra. Rehefa niditra tao an-trano nijery ny zava-misy, dia akory ny hatairan’ny mpiara-monina raha nahita ny tanan-kavian’ity renim-pianakaviana ity teo amin’ny gorodona, ary ny tenany kosa nihosin-drà tanteraka, ka nentin’ny mpifanolo-bodirindrina haingana tany Hopitaly Tambohobe ho famonjenena ny ainy. Nosamborin’ny Fokonolona kosa ilay rangahy nahavanon-doza, ka saika matin’ny hatezeram-bahoaka. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ny fianakavian-dramatoa naratra mafy niharan’ny herisetra, ka nametraka fitoriana, ary omaly no natolotra ny fampanoavana ity lehilahy namono ny vadiny ity.
Eric Manitrisa