- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Polisy MD noho ny fanolanana

Fianarantsoa : Polisy MD noho ny fanolanana

Nanolana tao anaty kaomisaria. Tsy vitan’izany fa mbola zaza tsy ampy taona koa no nanamparan’ireo izany filan-dratsy izany. Ary tsy mbola vitan’izany hatrany fa vehivavy roa izay samy tsy ampy taona no nasesiny. Vehivavy roa izay notazomina tao amin’ny birao ka nanokafana fanadihadiana no voakasika. Ilay polisy kosa no mpiandry raharaha tamin’io fotoana io. Voamarina tanteraka, raha araka ny vaovao ofisialy, fa simba ireo zaza noho ny fanolanana nahazo azy. Tsy nanaiky ny ray amany-drenin’izy ireo ary nametraka fitoriana. Fanatra fa mpiana-draharaha ilay polisy nahavanon-doza. Tamin’ny asabotsy teo no niakatra fampanoavana ny raharaha ary notazomina am-ponja vojimaika ao Fianarantsoa ilay mpitandro ny filaminana mpanolana.

D.R

Sakaraha : MD ilay zandary namono olona

Tany anaty « boîte de nuit » no nisy ny disadisa teo amin’ilay zandary sy ny lehilahy iray izay nilanona tao. Ny alatsinain’ny paska teo izany no nitranga. Tsy tao anatin’ny asa ilay mpitandro ny filaminana nisetrasetra. Raikitra ny fikasihan-tànana. Tsy nijanona teo ny raharaha satria nentin’ilay zandary sy ny namany tany amin’ny birao ilay olona. Heverina ho nitohy ny daroka tao ary nitarika ny fahafatesan’ilay lehilahy. Tsy nanaiky ny fianakavian’ny maty ary hatramin’ny foko niavian’ilay lehilahy aza dia efa nanomboka nihetsika. Nenjehina ara-pitsaràna ilay zandary ary rehefa niakatra fampanoavana ny raharaha dia nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny heloka bevava. Ao am-ponjan’i Toliara izy no miandry ny fitsaràna azy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici