Ny zandarimariam-pirenenana dia manamafy fa tsy maintsy iadiana ny tambazotra mpanadio omby halatra, mba hahafahana miady amin’ny halatr’omby sy hametrahana fandriampahalemana maharitra any amin’ny tantsaha mpiompy sy mpamokatra ary mba ho fiarovana ny olona sy ny fananany.
Amin’izao fotoana izao dia manatanteraka ny ezaka amin’ny ady amin’ny famotsiana omby halatra ny zandarimariam-pirenena,ka anisan’izany ny hetsika ataon’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Fianarantsoa; izay mahatonga fitazonana omby maromaro noho ny antontan-taratasy momba azy ireo mampiahiahy.
Araka ny voalazan’ny tompon’andriakitra dia anisan’ny taratasy manamarina ny maha-omby madio ny omby ny “Fiche Individuelle de Bovin” (FIB) izay ny lehiben’ny faritra ihany no manana fahefana hanao ny “commande” any amin’ny “imprimerie nationale” ka samy manana ny laharana voatokana ho azy ny faritra tsirairay izay mizara amin’ireo distrika sy kaominina ao anatin’izany faritra izany.
Tsikaritra tamin’ireo taratasin’omby nanaovana fanamarinana (contrôle) ao Fianarantsoa ireo fa FIB voatokana ho an’ny faritra hafa no ampiasaina fa tsy FIB voatokana ho an’ny faritra niaviany, ny FIB sasany aza tsy misy sonian’ny dokoteram-biby avy amin’izany faritra izany akory, ary rehefa anontaniana ny tompon’andraikitra any amin’ny faritra niavian’ireo omby ireo dia tsy mahalala ny fisian’izany FIB izany akory.
Nangonin’i r.s.