- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Raim-pianakaviana iray novonoin'ny mpanampy an- tranony

Fianarantsoa : Raim-pianakaviana iray novonoin’ny mpanampy an- tranony

Raim-pianakaviana iray no hita faty tao anaty lava-drano tany Fianarantsoa omaly. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana sy nampiakatra ny razana niaraka tamin’ny tompon’andraikitra avy amin’ny BMH. Hita tamin’izany fa novonoina izy io ary nalatsaka tao anaty lava-drano ny fatiny. Mitodika any amin’ny mpanampy avy hatrany ahiahin’ny mpanao famotorana momba ity raharaha ity. Araka ny fanadihadiana mantsy, ilay rangahy sy ny mpanampiny lehilahy no tao an-trano ny sabotsy  lasa teo satria niaraka namangy ny rahavavin’i vadiny izay nampidirina hopitaly io sabotsy io ihany izy mivady ary niaraka teny Beravina nanatitra ny marary taorian’izay. Rangahy no nody fa i ramatoa nijanona tao Beravina. Nony tonga ny alahady atoandro, nody ramatoa saingy tsy nahita olona tao an-trano, nandrasana ny tolakandro tsy nisy tonga. Nantsoina ny zanany tsy tany aminy ary niafarany nopitsohina ny varavarana eo amin’ny tohatra miakatra mankany ambony . Rehefa nojerena ny tao an-trano mikorontana, ny vata misy ny akanjo sy ny vola nopitsohina tamin’ny maritoa izay mbola hita teo ambany. Ny ampitso maraina tsy mbola nody ilay rangahy ka ny zanany no nanan-kevitra ny hijey ao anaty lava-drano. Indroa alina no efa tao anaty lava-drano ny razana. Ilay mpanamy tsy hita ny nanjavonany. Misokatra ny fanadihadiana

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici