- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Rongony 47 gony tratran’ny polisy

Fianarantsoa : Rongony 47 gony tratran’ny polisy

Rongony tao anatina gony hatrany amin’ny 47 ary milanja 611 kg no tratran’ny polisy avy ao Fianarantsoa ny zoma 29 oktobra teo tamin’ny 3 ora. Tao anaty kamiao iray avy any Toliara no nisy ireto rongony be dia be ireto. Teo amin’ny barazy Ankofafa no sarona ny nafenina. Nosamborina ny mpamily an’io fiarabe io. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia nilaza ity olona ity, fa azy ny “entana” izay nalainy tany Toliara. Efa nampidirina any am-ponja vonjimaika ity olona ity.  Ireo rongony tratra kosa dia efa nodorana daholo. Anisan’ny nahazoana izao vokatra izao ny baiko midina avy amin’ny tompon’andrikitra ambony ao amin’ny polisim-pirenena. Nohamafisina araka izany ny fisavana eny an-dàlana, satria dia manjaka loatra ny tsy fandriampahalemana. Anisan’ny mampirongatra izany, ny fianahan’ny zava-mahadomelina isan-karazany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici