- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Sokatra an-jatony sy rongony marobe nafenina tao anaty vatam-paty

Fianarantsoa : Sokatra an-jatony sy rongony marobe nafenina tao anaty vatam-paty

Izany tokoa ny hoe tsy kely lalana ny ratsy. Taxi-brousse iray handeha hizotra aty an-drenivohitra no sarona nitondra sokatra sy rongony, izay nataon’izy ireo tao anaty … vatam-paty. Tra-tehaka teo amin’ny barazin’ny mpitandro filaminana, alohan’ny hiditra an’Alakamisin’Ambohimaha ity fiara ity, omaly. Saika nety ny teti-dratsin’ireto mpanondrana an-tsokosoko ireto satria hatrany Toliara dia toa tsy voasakana mihitsy izy ireo raha io teo Fianarantsoa io. Tsy mahagaga tokoa satria ireo mpitandro filaminana rehefa mahita an’ilay vatam-paty teny ambony fiara dia saika mamela mandeha avokoa. Teo amin’ity barazy iray teo an-drenivohitr’i Betsileo ity anefa no naharava avokoa ny tetika. Rehefa nosakanan’ireo pôlisy mantsy ilay taxi-brousse dia tsy nety nijanona. Fihetsika izay nampiahiahy tanteraka ary nirosoan’ireo mpitandro filaminana tamin’ny fanenjehana ilay fiara. Tsy lasa lavitra moa dia tratra ity fiara ity ary natao ny fisavàna ireo taratasy. Tamin’io ihany koa no hita fa tsy misy ara-dalàna ny antonta-taratasy rehetra mahakasika “razana” voalaza fa nentin’izy ireo. Tsy nisy taratasy manamarina fahafatesana tany amin’izy ireo ary mainka fa tsy voahisy tombokase manidy ilay vatam-paty na “scellage” avy amin’iny tompon’andraikitram-panjakana. Voatery notanana araka izany ireto olona ireto ary nasaina novahana ny vata. Hatairana ny an’ny rehetra raha nahita fa zana-tsokatra an-jatony mahery no tao anatin’ity vatam-paty ity. Tsy vitan’izany anefa fa mbola nahitana gony maromaro nisy rongony ihany koa niaraka tamin’ireo. Voatery nampidinina sy notanana nanaovana fanadihadiana avokoa araka izany ireo olona rehetra tao anaty fiara. Nisy tamin’izy ireo ihany moa no mpandeha tsotra tsy nahafantatra na inona na inona, araka ny fampitam-baovao azo. Efa mandeha moa ny famotorana izay ataon’ireo pôlisy any an-toerana amin’izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici