Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina namoizana ain’olona tsy manan-tsiny indray tamin’ny RN7, ny asabotsy naraina teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, tao Mandalahy, any amin’ny kaominina ambanivohitra Alakamisy Ambohimaha, 30 km tsy hidirana ny tanànan’i Fianarantsoa. Vokatry ny fivarinan’ny taksiborosy sprinter iray tany anaty hantsana, niainga teto an-drenivohitra ny zoma hariva teo ary hihazo an’i Toliara, dia mpandeha miisa dimy no maty, 12 hafa naratra mafy. Ireto farany izay manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalibe Tambohobe Fianarantsoa, ka ny ankamaroan’izy ireo dia mbola miady mafy amin’ny fahafatesana.
Niala fiara nirimorimo mafy. Araka ny tati-baovao voaray, mpandeha miisa efatra no maty tsy tra-drano teo no ho eo tamin’ity loza ity, ka pasitera amin’ny fiangonana zandriny ny iray, mpanakanto tanora miangaly ny gadona “rap” ny namoy ny ainy faharoa. Tonga teny amin’ny hopitaly kosa no nindaosin’ny fahafatesana ny vehivavy bevohoka iray tamin’ireo mpandeha 13 naratra mafy. Raha ny nambaran’ny iray tamin’ireo mpandeha nieren-doza, dia nisy kamiao nifanena tamin’izy ireo. Tampoka teo anefa, nisy fiara sprinter miloko mavo nandeha mafy nipoitra tampoka nisongona an’ilay fiarabe. “ Mba hisorohana tsy hisian’ny fifandonana, dia niala an’ity sprinter nirimorimo ny taksiborosy nisy anay, kanjo hantsana no tany amin’ny ankavanana ka dia nivadibadika nivarina tany izahay ”, hoy Behevitse.
Eric Manitrisa