Tato anatin’ny herinandro, dia nanao sesilany ny fanafihana mitam-piadiana tao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy, dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny mponina any an-toerana mba hijerena akaiky izany.
Nitrangana fanafihan-jiolahy nitam-basy indray tao an-drenivohitry Betsileo, ny harivan’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny enina ora latsaka folo minitra, tao an-tsenan’ Anjoma, ka toeram-pivarotana miisa fito no nasesin’ny dimy lahy nirongo basy norobaina, ary lasa avokoa ny vola rehetra, ireo firavaka volamena sy volafotsy ary finday tany amin’ireo mpivarotra voaroba. Nandritra ity fanafihana ity, raha ny vaovao voaray, dia voaroba hatramin’ny vaomieran’ny tsena sy Polisy iray handeha hividy sigara, ary tsy nisy tahotra mihitsy ireo jiolahy naka ny lelavola iray alina ariary teny am-pelan-tànan’ity mpitandro filaminana.
Miakatra « ville » ny dahalo. Rangahy lehibe iray kosa maty notifirin’ny jiolahy. Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny havan’ny maty, dia saika haka ny ordinateran-janan’ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity ny iray tamin’ireo jiolahy. Nanohitra izany Dadabe Rakotozafy, ary natosiny ilay olon-dratsy ka nitrosona tamin’ny tany. Raha vao nahita ny namany nitsirara ireo dahalo, dia nitifitra avy hatrany. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, dia niainga avy tany amin’ny tohatoha-bato atsinanan’ny tsena ireo dahalo. Ka rehefa tonga teo an-tsena ireo jiolahy, dia nitety nandroba an’ireo toeram-pivarotana rehetra mbola nisokatra.
Eric Manitrisa