- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Tovolahy hita faty, nihantona teny ambony hazo

Fianarantsoa : Tovolahy hita faty, nihantona teny ambony hazo

Tovolahy iray antsoina hoe : Rodlish (Rody), avy any Analanjavidy Distrikan’i Mananjary, izay voalaza fa mipetraka ao amin’ny « Normal » Fianarantsoa, no hita faty nihantona teny ambony hazo, omaly, tany Andrianjato-Est. Raha ny tati-baovao voaray avy tamina olom-boafidy iray any an-toerana, dia akanjo « tee-shirt » miloko fotsy misy soratra Kolejy CIC Mananjary no nifatotra teo amin’ny tendan’ity tovolahy fotsifotsy fihodirana misy « tatouage » eo amin’ny sandriny sy lamosiny hita faty voalaza fa namono tena ity. Mbola hita teo ambany vantana mangatsiakany izay nikiraviravy ny kapa nanaovany. Taorian’ny fampandrenesana ny zava-misy, dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana izay nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana mba hahafantarana ny tena marina tamin’ity tranga nahonena ny maro ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici