Miparitaka ny fitaovam-piadiana mahery vaika eto amintsika, ka entin’ireo tsy mataho-tody manao fanafihana sy fandrobana ary fakana olona an-keriny etsy sy eroa. Afak’omaly, tovolahy iray 18 taona no nahatrarana basy kalach, tany Fianarantsoa. Rehefa nofotoran’ny mpitandro filaminana ity tovolahy ity, dia tsy niaiky ho tompon’ io basy tsy nisy bala io, ary tsy nanome na nanondro anaran’ olona ihany koa. Hatolotra ny Fitsarana ao Fianarantsoa tsy ho ela ity tovolahy tra-tehaka niaraka tamin’ny basy ity, raha mbola karohina fatratra kosa amin’izao ireo dahalo namany sy ireo izay mpiray tsikombakomba aminy, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia hatramin’ny taom-baovao no mankaty, basy mahery vaika roa no sarona, ka ny iray amin’ireo dia nentin’ireo andiana malaso miisa 24 izay nanafika tany amin’ny Kaominina Mangidy, Distrikan’Ikalamavony.
Eric Manitrisa