- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Tovolahy mpianatra ho mpitsabo, hita faty nifatotra tongotra aman-tanana tao...

Fianarantsoa : Tovolahy mpianatra ho mpitsabo, hita faty nifatotra tongotra aman-tanana tao anaty kirihitr’ala

Nitrangana vono olona tamin’ny fomba feno habibiana indray tany Fianarantsoa, afak’omaly. Tovolahy iray 25 taona, voalaza fa mpianatra ho mpitsabo tao amin’ny Hopitaly Tambohobe no hita faty nifatotra tongotra aman-tanana tao anatina kirihitr’ala teny amin’ny manodidina ny Fokontanin’i Mahasoakely sy Sahalava. Raha vao nahita ny razana ny mponina dia niezaka avy hatrany nampandre ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo mba hijery ny zava-misy. Tamin’ny fizahana natao no nahafantarana fa novonoina tamin’ny fomba mamohetra farany izay nahatsiravina ity tovolahy, satria rakotra dian’antsy sy mangana avokoa ny vantany iray manontolo. Raha ny vinavina nataon’ny mpitsabo dia efa nampijaliana sy novonoina tany an-toeran-kafa nandritra ny fotoana elaela ity mpianatra ho dokotera ity, ka rehefa tapitra ny ainy izay vao nariana teo amin’ilay toerana io ny fatiny. Tamin’ny  fanadihadiana  nataon’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa mipetra-drery ao amin’ny Fokontanin’i Bateravola ity tovolahy avy any Mahabako Manakara izay mandrato fianarana ao Fianarantsoa. Hatreto dia Mbola tsy fantatra kosa hatreto ny/ireo nahavanon-doza, saingy raha ny hevitr’ireo nahita maso dia mety ho lonilony no nahatonga an’ity mpianatra ho mpitsabo novonoina tamin’ny fomba habibiana tahaka izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici