Omaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina no nitranga ilay fikasàna handoro tranon’olona. Koa satria nisy ireny « caméra de surveillance » ireny ny toerana, rehefa nojeren’ny tompon-trano izany dia tsikaritra fa lehilahy roa nandeha kodiaran-droa no tompon’antoka. Natsipin’izy ireo teo amin’ilay tokontanin’olona ilay « cocktail molotov ». Nanaitra ny alika tao an-toerana izany ary nenjehan’ilay biby ka naratra ny iray tamin’ireo olon-dratsy saingy nanohy ny fitsoahana ihany. Filoham-pikambanan’ny fiarakaretsaka ity nisy nisompatra na nigafy ity. Ny fanadihadiana izay tokony hiainga taorian’ilay tranga no hamaritra izay mety ho antony. Raha ny eritreritry ny olona dia mety nanohintohina ny sasany ny tsy fankatoavany ny hampidirana ny Bajaj ao Fianarantsoa. Tombana avokoa izany saingy afaka iaingan’ny fanadihadiana tsara. D.R
Articles qui pourraient vous intéresser